Hevero, ry mpanota ô, Ny andro fitsarana ! Hiverina ny Tomponao Hamaly fahotana ; Ny lanitra hahorona, Ny tany dia hodorana, Fa avy Ilay Mahery. Trompetra no ho levona Hotsofin'ny anjely ; Hisokatra ny fasana, Hivory izay niely ; Ny maty dia hatsangana, Isika koa hakarina Hanatrika ny Tompo. Ny boky hovelarina, Fa io no manambara Ny asa izay miafina, Handraisana anjara ; Ka aza mba mihevitra Hahazo mihodivitra Fa fantatry ny Tompo. Ry Tompo ô ! hazoninay Ny tenim-panekena, Ka mba arovy izahay Hitana famonjena ; Ny ranao sy Fanahinao No tokinay raha avy izao Ny andro fitsarana.Una giornata di sole БОЖЕ ДОБЪР СИ nfsy btgẖnylk yạ yswʿ ạ̹nt ạlsẖạfy̱ ṭfwlẗ mʿdẖbẗ Dime, pues nunca has oído Tu sei Santo Tancujem, spievam si Salmo 86 Sang Kristus T'lah Bangkit
Song not available - connect to internet to try again?