Hevero, ry mpanota ô, Ny andro fitsarana ! Hiverina ny Tomponao Hamaly fahotana ; Ny lanitra hahorona, Ny tany dia hodorana, Fa avy Ilay Mahery. Trompetra no ho levona Hotsofin'ny anjely ; Hisokatra ny fasana, Hivory izay niely ; Ny maty dia hatsangana, Isika koa hakarina Hanatrika ny Tompo. Ny boky hovelarina, Fa io no manambara Ny asa izay miafina, Handraisana anjara ; Ka aza mba mihevitra Hahazo mihodivitra Fa fantatry ny Tompo. Ry Tompo ô ! hazoninay Ny tenim-panekena, Ka mba arovy izahay Hitana famonjena ; Ny ranao sy Fanahinao No tokinay raha avy izao Ny andro fitsarana.నా కనుల వెంబడి కన్నీరు sẖfạny Ježiš, buď mojím Pánom Tu sei il Re Иисус Ты нужен мне Nuestra Esperanza Y Proteccion Jezus, Jezus Me olvidaré de aquel lugar 服侍歌 Preghiera
Song not available - connect to internet to try again?