Hianao, Jehovah Tompo ! No hatoninay izao ; Avy izahay hanompo Sy hanao ny sitrakao ; // Indro, raiso, Raiso ho Anao izahay // Mba tantano sy arovy, Fa malemy izahay ; He ! marary sy farofy Hianao no herinay ; // Ody aina Hitsaboanao anay // Mpivahiny ka mahantra, Entonao, Fanahy ô ! Ana sy mangetaheta, Asehoy ny antranao ; // Ranon'aina Hosotrinay izao // Tranonao madio no any, Vorodamba no anay, Fa hilaozanay ny tany, Ka soloy ny lambanay ; // Lamba fotsy Hitafianay anie //Твой славный день (Glorious Day) V srdci nádej, túžba v zraku آه ربي لو مكثت Sus deasupra stelelor You Are My One Thing Gel Ruhunla Bana Xushxabarni ekdik عاجايىپ جەردى ٴتاڭىر سيلادى Время Құдай сондай жақсы
Song not available - connect to internet to try again?