Hianao, ry Ray, no mibaiko Hanaovanay ny asanao, Ka ny handà e mba tsy haiko, Na sarotra aza ny atao. Ny fitoriana lalaina, Natomboky ny mpianatrao Dia tsy azo atao very maina, Fa he, tohizanay izao. Fa mbola adidin'ny mazava Mitondra ny fanala izao, Hiainga, handeha hampisava Ny aizina ao an-ala ao. Ireo rahalahy sy rahavavy Dia be tsy mahalala Anao Koa indro, Tompo, aho avy Hitory ny Anaranao. Kanefa tsy ny eto ihany No anirahanao anay, Fa na ny any lavitra any Dia samy mbola adidinay. Hiezaka, hikely aina, Hamafy koa ny teninao Izay hany tena mofon'aina, Ho an'izao tontolo izao.فُلك Папа إني ربي ضيف Танры Севҝиси Vzdávej čest Tvůrci Jezusowi zwierzam Не спеши грешить Jesus Came, the Heavens Adoring يا أبائى الرهبان Һəр сəһəр ешидирəм Сəнин сəсини
Song not available - connect to internet to try again?