Hianao, ry Ray, no mibaiko Hanaovanay ny asanao, Ka ny handà e mba tsy haiko, Na sarotra aza ny atao. Ny fitoriana lalaina, Natomboky ny mpianatrao Dia tsy azo atao very maina, Fa he, tohizanay izao. Fa mbola adidin'ny mazava Mitondra ny fanala izao, Hiainga, handeha hampisava Ny aizina ao an-ala ao. Ireo rahalahy sy rahavavy Dia be tsy mahalala Anao Koa indro, Tompo, aho avy Hitory ny Anaranao. Kanefa tsy ny eto ihany No anirahanao anay, Fa na ny any lavitra any Dia samy mbola adidinay. Hiezaka, hikely aina, Hamafy koa ny teninao Izay hany tena mofon'aina, Ho an'izao tontolo izao.Mesihim, Kurtarıcım Yanayım Kutsal Ateşle ʿrftuka Szczęśliwym już w mym Zbawcy teraz صليب إلهنا Ах юность светлая пора Sem srdce k Srdcu dones, by vzbíklo plameňom Баба Бугюн ЬОнюндейим شەگە سەنىڭ دەنەڭە قادالعاندا سۇيىكتى ٴتاڭىرىم!
Song not available - connect to internet to try again?