Hianao, ry Tompon'aiko, Maty noho ny otako, Tsy mba takatry ny saiko Izany fijalianao Nefa sitrakao nijaly Hahazoako mifaly ; Ry Jesosy, Hianao No isaorako izao ! Safotry ny fandatsana Hianao, Mpanavotra Handovako fanjakana Feno voninahitra. Voaratra, voaeso, Ary voasatro-tsilo Noho ny hadisoako, Koa dia isaorako ! Tianao izahay mpanota, Helokay no nentinao ; Resinao ny tambin'ota Izahay nafahanao ; Voaloanao ny trosa. Izahay mpanota kosa, Tonga olom-potsinao, Ka derainay Hianao !ఆరాధన ఆత్మతో ఆరాధన Ty jsi Bůh v tomto městě ىيىق ۉيدۅ سىيىنۇۇ ۇعۇلات 终于成为赢家 Сенин Атың - Ыйса يا عصفور يا طاير En la montaña podrá no ser На дар суханҳои дуоям Жексенбі күн Мәриям Мағдалалық مايهمنيش
Song not available - connect to internet to try again?