Ho vavolombelonao N'aiza n'aiza no aleha Izay no faniriana vao Sy ataoko rehareha, Ka raha asa no atao Inty tokoa fa vonona ( ho vonona aho ) Tsy hiala na handao, Tompo ô, iraho aho ! Ho vavolombelonao Eran-tany raha ilaina Toy ny loharano vao Izay mamelombelona aina Hanasoa ny tany hay Efa mihamaina taho ( mihamaina ) Tompo ô, inty indray Alefaso, vonona Aho. Ho vavolombelonao Ao anaty fitsapana, Ka hijoro ho Anao, Na fefena, na rarana, Tsy hiahotra ny dia : Fa Hianao naniraka Ahy ( naniraka Ahy ) Tsy hiahotra aho satria Amiko Hianao Mpitahy.Cross Грозные тучи нависли над нами Uyan Uyan Prendi queste rovine Élet Lelke Mój Ojciec w niebie dobrze wie يا إلهي أعمق الحب هواك O, ja wiem w kogo wierzę Ó, ty vlasť moja nadzemská Sığınak Olur Yüreğin
Song not available - connect to internet to try again?