Iriko e, ry Jeso ! Hitovy Aminao, Izay tsy manan-keloka, Fa masina tokoa ; Iriko e, ry Jeso ! Ho tonga toa Anao, Namonjy sy nanafaka Fanahy, aina koa. Iriko, ry Mpamonjy ! Mba ho sakaizanao, Hiaraka ory Aminao ; Ka tsy handao Anao ; Iriko, ry Mpamonjy ! Hanar-dia Anao ; Ny hazofijaliana Ho entiko izao. Iriko, ry Mpandresy ! Hiaraka Aminao, Ho eo an-toby lehibe, Ho miaramilanao ; Iriko, ry Mpandresy ! Hanaraka Anao ; Mitondra ny fanevanao, Handray ny herinao. Iriko, ry Mpanjaka ! Ho ao an-dapanao Hiara-paly Aminao, Fa tonga Zanakao ; Iriko, ry Mpanjaka ! Ho eo anilanao Handray ny lova atolotrao, Mpanjaka be fitia !Borlikda yangraydi Там нощ няма нивга Ей Раббим Иса Életem csak kegyelem ГОСПОДИ, ОБИЧАМ ТЕ Слишком много несказанных слов Самодан Келган Нажоткоримсан Dal primo mattino Еј үмид етдијим јеҝанə Аллаһ Бени Тут - Бени Тут
Song not available - connect to internet to try again?