Iriko e, ry Jeso ! Hitovy Aminao, Izay tsy manan-keloka, Fa masina tokoa ; Iriko e, ry Jeso ! Ho tonga toa Anao, Namonjy sy nanafaka Fanahy, aina koa. Iriko, ry Mpamonjy ! Mba ho sakaizanao, Hiaraka ory Aminao ; Ka tsy handao Anao ; Iriko, ry Mpamonjy ! Hanar-dia Anao ; Ny hazofijaliana Ho entiko izao. Iriko, ry Mpandresy ! Hiaraka Aminao, Ho eo an-toby lehibe, Ho miaramilanao ; Iriko, ry Mpandresy ! Hanaraka Anao ; Mitondra ny fanevanao, Handray ny herinao. Iriko, ry Mpanjaka ! Ho ao an-dapanao Hiara-paly Aminao, Fa tonga Zanakao ; Iriko, ry Mpanjaka ! Ho eo anilanao Handray ny lova atolotrao, Mpanjaka be fitia !Ježiš, Tvoja moc trvá stále My God is awesome Грънчарю на душата ми 爱的力量 Davide il pastore ถวายชีวิตรับใช้ ḥwạr ạlḥkmẗ wḥjlẗ Богу взор я возношу Boh ťa miluje, aj ja ťa milujem .. Ó, poďte ku mne všetci
Song not available - connect to internet to try again?