Isaoranay Jehovah, Fa Tompo lehibe, Izay tsy mba manova, Ny famindramponao. Miorina aminay izao Ny fiangona-masinao ; Torina aminay Ny teny mampiray, Ka ravoravo izao Izahay miderà Anao ! Derao Jesosy Tompo, Izay Mpamonjinao, Hiraonao re, ry foko, Ny fitiavany. Haleloia ! haleloia ! Haleloia ! haleloia ! Jesosy avotray Dia Zanaky ny Ray Ny ainy no voaray, Hisolo helokay. Derainay, ry Fanahy, Izao ny asanao, Tsy misy mampanahy, Izay tarihinao, Ka anjakao re, ny fonay, Arovy ny fiangonanay, Velomy izahay, Ataovinao mahay Manoka-po izao Handray ny aim-baovao !Veríme v Boha jedného Хайрын Их Эзэн 蓝天下成群的白鸽飞 wbfrḍ ạ̹nhạ ạ̉yạm ṣʿbẗ لأنه ماذا ينتفع قۇدايدىڭ سۇيىسپەنشىلىگى سونداي مستحق كل المجد - طريق الحياة Единый Царь سبحوا لإلهنا الحى 我们所信的神
Song not available - connect to internet to try again?