Isaoranay, ry Ray, Ny fitiavanao ; Fa indro azonay // Ny taombaovao // Ry Tompo ô, ambeno, Izao fifaliana izao Ka aoka re ho feno Ny hasoavanao. Ny taona vao lasa Nipaoka olon-tsoa Ireny mba nikasa // Mba ho tafita koa // Ny fitondràna anefa Afeninao, ry Ray ! Ka nony miantefa Vao sina izahay. Fanahy ô, avia Hitari-dàlana e ! Mandroso izao ny dia // Hamaky rano be // Ny herinao tsy lefy No tanjaky ny fo Ka ampy mba ho fefy, Raha avy ny manjo. Itoero, Jeso tia Ny sambonay re ! Na tony na maria, // 'Ty ranomasim-be // Raha Hianao no hita Tsy fefika izahay Ambara-piampita Arý an-tratran-dRay.Layıksın Sen Adelante Con Valor Włożył w moje usta DUCH PÁNOV JE NADO MNOU هيا افرحوا Oh cuán grato observar los hermanos Встаёт рассвет اوعى تفكر إني نسيتك Молитва Царской Семьи Ty napĺňaš chválou naše ústa
Song not available - connect to internet to try again?