Isaoranay, ry Ray, Ny fitiavanao ; Fa indro azonay // Ny taombaovao // Ry Tompo ô, ambeno, Izao fifaliana izao Ka aoka re ho feno Ny hasoavanao. Ny taona vao lasa Nipaoka olon-tsoa Ireny mba nikasa // Mba ho tafita koa // Ny fitondràna anefa Afeninao, ry Ray ! Ka nony miantefa Vao sina izahay. Fanahy ô, avia Hitari-dàlana e ! Mandroso izao ny dia // Hamaky rano be // Ny herinao tsy lefy No tanjaky ny fo Ka ampy mba ho fefy, Raha avy ny manjo. Itoero, Jeso tia Ny sambonay re ! Na tony na maria, // 'Ty ranomasim-be // Raha Hianao no hita Tsy fefika izahay Ambara-piampita Arý an-tratran-dRay.Pre Krista boj zve strážny Ah! si ton sang, si ta mort, si ta vie Кровь Христа ابن الملك العالم عطاياه وقتيه Пусть любви будет много bạrfʿ ạ̹lyk tsbyḥy Иззəт Танрыја mstslm There is sunshine in my soul today/ Sunshine
Song not available - connect to internet to try again?