Iza moa ireo mitsangana Arý an-koatra arý ? Ny seza fiandrianana No eo anilany, Haleloia, mihobia ! Fa Mpandresy izy e ! Ka mitana ny rofia, Voninahi-dehibe. Fahorina mafy loatra No nentin'izy ireo, Kanefa tsy nitsoaka Nijaly fa tsy leo, Famonjena firenena Ady masina tokoa, Nanolorany ny tena Ho mpitory "Teny Soa". O ! ry mponina ao an-danitra Anjely marobe, Omeo voninahitra Ny maritiora e ! Ilay Kanana soa tokoa No fonenany izao Hetaheta, sanatria Tsy haninona azy ao. Mba avia, ry olom-belona Avia, ankalazao Ilay maty nefa velona, Jesosy Tomponao. Dera, laza atolotray Haleloia, haleloia ! Ho Anao, Mpanjakanay, Ho Anao, doria doria.Sulla rocca Alegría Ийем биргемиз Still Rolling Stones Prečo mlčíš, Pane Как хорошо Иисус когда Ты рядом Սուրբ Աստված,Միակ Արժան Օրհնանքի Бүкіл әлем Құдайдың қолында K Tvému stolu sešli jsme se Беги ко Христу
Song not available - connect to internet to try again?