Izahay ankizy Te hidera Anao, Ry Jeso Mpamonjy ! Ka henoy izao. Zanaky ny Avo, Jeso Tomponay, Faly sady ravo Raha hatoninay. Te hifalifaly Izahay izao ; Hira mifamaly, Tianay hatao. Te hiravoravo Miaraka aminao Nefa mavomavo Ka antsoy izao. Te hisoka-bava Hankalaza Anao ; Hira lalandava Satrinay hatao. Sambatra ny zaza ! Izay trotroinao ; Na kamboty aza, Tonga zanakao.Qudratim Xudo مجدًا لك Kríza Халелуя COUNTYOUR BLESSINGS О Боже, не за утре bdạyẗ jdydẗ Chi ci può cambiare Prin multe ţări frumoase АР-БӰТКЕНИ БАЙЛЫК ЈАЙАЛГАН
Song not available - connect to internet to try again?