Izaho tsy mba mahalala Izay hiainako atý ; Anio angaha dia hiala Ka hodimandry ho arý ! Ny ran'i Kristy, Raiko ô, No amelao ny heloko. Ry Ray ô, mampianara ahy Hanisa e, ny androko, Hiantombenan'ny fanahy Ao amin'ny Mpamonjiko. Ny ran'i Kristy, .. sns. Ny asa sy ny ahiahy, Izay maningotra ahy izao, Vahao mba tsy hisakana ahy Hiainga raha antsoinao. Ny ran'i Kristy, .. sns. Ny fahotako an-tapitrisa Saronanao ny avotra, Izay nandraisako batisa Sy ny sakafo masina. Ny ran'i Kristy, .. sns. Tsy misy mahasaraka ahy Amin'ny fitiavany ; Ny teniny no mahasahy Ny olom-boafidiny. Ny ran'i Kristy, .. sns. Ka dia tsy mba mampanahy Ny andro hahafatesako, Jesosy no miantoka ahy, Ny ainy no anjarako, Ny ran'i Kristy, .. sns.Choć burza huczy w koło nas Опора Пусть всё, что дышит, поёт Este Unul ce te iubește așa cum ești ạ̹lhy ạnt ṣkẖrty Rendez à Dieu l'honneur suprême Krížová cesta Дым - дом ṣḥyḥ ạ̉nạ lsẗ ṣgẖyr Wszystkie narody
Song not available - connect to internet to try again?