Izaho tsy mba mahalala Izay hiainako atý ; Anio angaha dia hiala Ka hodimandry ho arý ! Ny ran'i Kristy, Raiko ô, No amelao ny heloko. Ry Ray ô, mampianara ahy Hanisa e, ny androko, Hiantombenan'ny fanahy Ao amin'ny Mpamonjiko. Ny ran'i Kristy, .. sns. Ny asa sy ny ahiahy, Izay maningotra ahy izao, Vahao mba tsy hisakana ahy Hiainga raha antsoinao. Ny ran'i Kristy, .. sns. Ny fahotako an-tapitrisa Saronanao ny avotra, Izay nandraisako batisa Sy ny sakafo masina. Ny ran'i Kristy, .. sns. Tsy misy mahasaraka ahy Amin'ny fitiavany ; Ny teniny no mahasahy Ny olom-boafidiny. Ny ran'i Kristy, .. sns. Ka dia tsy mba mampanahy Ny andro hahafatesako, Jesosy no miantoka ahy, Ny ainy no anjarako, Ny ran'i Kristy, .. sns.ىزگى قۇدىرەتپەن Napfivér, Holdnővér Не бойся друг Faithful One Dios al mundo amó Сўрагин Миний сүнс миний сүнс амгалан ربي أنت للتعابى Կհառեմ Իմ Աչքերն Man of Sorrows
Song not available - connect to internet to try again?