Izao manatrika Anao, Ry Jesosy, izahay, Indro tokantrano vao No hoarina indray. Izahay mangataka ; Ny tsodranonao omeo, Ka avia hanapaka Ny fiainan'izy ireo. Ho Kristiana velona Anie ny zanany, Ho vavolombelona Fa Anao ny tenany. Aoka mba hamiratra Ny filazantsaranao, Velona hanaraka Ny fonay ka hazavao. Ka ny fiangonana Hanompoanay Anao, Hanana olom-banona Faly ny hiasa ao. Antenainay marina, Fa Hianao hanohana Izay firaisa-masina, Hisy fahasoavana.Не оставь Ты меня Дух надежды Žalm chvály Viata e scurta foarte trecatoare Ry Tompo Zanaharinay Bůh je má píseň Ты жизнь отдал qʼovlisshemdzle ghmerti mepobs yạ m r y m Be Near On Jeesus mun vapahtajani
Song not available - connect to internet to try again?