Jeso dia tokiko, Fa Mpamonjiko mahery, Sady tena zokiko Tsy hamela ahy irery Ao amorom-pasako, Fa hiaraka amiko. Izy tenany mandre Ny hangidin'ny fitàna Ilay ony maintibe Vokatry ny fahotana ; Koa tsy hilaozany Irery ny olony. Izaho hody vovoka, Fa ny androko ho lany, Nefa dia hatsangana Sy hakarina hankany Amim-boninahitra, Izay tsy mety tapitra. Dia ho tafatambatra Ny fanahy sy ny tena, Ary samy sambatra, Fa nahazo famonjena, Izay Jesosy, havako, Vao ho tena hitako. Izay manjo atý izao Tsy mba misy ao akory, Fa finaritra ny ao. Tapitra ny mampahory, Ka ny fahalovana Hody fifaliana. Eto aho reraka, Any misy hazon'aina Vita sy tanteraka Izay rehetra nantenaina Ao no hahatrarako Ny fahasambarako.Poznáte všetci môjho Pána O Praise Him O ulcea cu flori frumoase In Jesus Name (God of Possible) Gioia Göylərin, yerlərin sahibisən Сегодня тот день Slnko a mesiac Tu non smetterai عين في الضلمة وعين في النور
Song not available - connect to internet to try again?