Jeso dia tokiko, Fa Mpamonjiko mahery, Sady tena zokiko Tsy hamela ahy irery Ao amorom-pasako, Fa hiaraka amiko. Izy tenany mandre Ny hangidin'ny fitàna Ilay ony maintibe Vokatry ny fahotana ; Koa tsy hilaozany Irery ny olony. Izaho hody vovoka, Fa ny androko ho lany, Nefa dia hatsangana Sy hakarina hankany Amim-boninahitra, Izay tsy mety tapitra. Dia ho tafatambatra Ny fanahy sy ny tena, Ary samy sambatra, Fa nahazo famonjena, Izay Jesosy, havako, Vao ho tena hitako. Izay manjo atý izao Tsy mba misy ao akory, Fa finaritra ny ao. Tapitra ny mampahory, Ka ny fahalovana Hody fifaliana. Eto aho reraka, Any misy hazon'aina Vita sy tanteraka Izay rehetra nantenaina Ao no hahatrarako Ny fahasambarako.Кажи ми за Христа جوه كل قلب خاطي Jézus, megígérted Раб беним чобанъм Седжде Кълалъм Ве Еилелим; قۇدايدىڭ رۋحى ٴبىزدى تولتىرعاندا Notre Père trạk 5 ابنك مشغول เจิมด้วยไฟพระวิญญาณ
Song not available - connect to internet to try again?