Jeso hany iriko Loharanon'aiko Sy Sakaiza soa ! Mamiko indrindra Ny ho tafafindra Any Aminao, Na dia toa takona, Hianao ao an-tsaiko, Sady tohan'aiko. Loza tsy misava, Sento lalandava No mitranga izao ; Notrotroiny aho, Ka ny fahavalo Tsy mahazo ao. Na be aza ny manjo, Tsy ho kivy ny fanahy, Jeso mbola ahy. Ny haren'ny tany, Na dia tsara ihany, Tsy ahoako ; Hianao irery Lova tsy ho very, Reharehako ! Ka na fahoriam-be No mihatra amin'ny aiko, Hianao tsy foiko. Raha ao am-poko Hianao, ry Tompo, Ka manjaka ao, Ireo ahiahy, Nahavalaka ahy, Dia afakao, Na mavesatra entana Hianao no antenaiko Sady Tohan'aiko.Io credo in te Gesù lw dmʿk rạjʿ ạ̉nạ مافارقنيش Alevlendir ملكك نفسي Porque Grande es Jehová Как много звезд на небесах యేసయ్య కనికరపూర్ణుడా మనోహర ప్రేమకు Ты моя слава
Song not available - connect to internet to try again?