Jeso hany iriko Loharanon'aiko Sy Sakaiza soa ! Mamiko indrindra Ny ho tafafindra Any Aminao, Na dia toa takona, Hianao ao an-tsaiko, Sady tohan'aiko. Loza tsy misava, Sento lalandava No mitranga izao ; Notrotroiny aho, Ka ny fahavalo Tsy mahazo ao. Na be aza ny manjo, Tsy ho kivy ny fanahy, Jeso mbola ahy. Ny haren'ny tany, Na dia tsara ihany, Tsy ahoako ; Hianao irery Lova tsy ho very, Reharehako ! Ka na fahoriam-be No mihatra amin'ny aiko, Hianao tsy foiko. Raha ao am-poko Hianao, ry Tompo, Ka manjaka ao, Ireo ahiahy, Nahavalaka ahy, Dia afakao, Na mavesatra entana Hianao no antenaiko Sady Tohan'aiko.Пора друзья прощаться нам Диңе мерхемет билен Kim inanırsa İsa Mesih'e Барои номаш шукр мегӯем Nothing is greater than you They were in Egypt Cuán grato en los oídos يوماً فيوماً فيوم JESUS, THE VERY THOUGHT OF THEE Le Seigneur Jésus
Song not available - connect to internet to try again?