Jeso no anjara soa Izay mahafa-po tokoa, Soa tsy manam-paharoa, Ahy Jeso : Ampy izay. Ahy Jeso hatretý, Ahy Jeso hatrarý Ahy Jeso Zoky tia Mandrakizay doria, doria. Vola sy harena be Maro tia tokoa anie ; Nefa mamiko ny hoe : Ahy Jeso : Ampy izay. Ahy Jeso hatretý, ..sns. Fahefana, laza soa Mahafatifaty koa ; Nefa izao no tena soa : Ahy Jeso : Ampy izay. Ahy Jeso hatretý, ..sns. Eny, izao rehetra izao Tsy hamoizako Anao, Fa Jeso izay tsy mandao ! Ahy Jeso : Ampy izay. Ahy Jeso hatretý, ..sns. Jeso, aina, hery, zo ; Jeso, lova tsy mba lo ; Jeso fiainam-po ; Ahy Jeso : Ampy izay. Ahy Jeso hatretý, ..sns.Wędrowcze, wróć do Ojca, wróć! Chwalimy Pana dziś Usami Jesus, Joy of Man's Desiring Тăндоди хуáр Nič nie je nemožné Tez Geliyorum God I Look to You Taňrym her pursat Toužím
Song not available - connect to internet to try again?