Jeso vato fehizoro Afa- tahotra ny fo Raha Ianao no mampijoro Sy iankinana tokoa. Vato fiorenanay Jeso Zanaky ny Avo Vato fialofanay Amin- dratsy te handavo. Vato azo itokiana Sady tsy mba mivena Afaka ny fahoriana Raha ianao no ekena. Jesoa Tompo irery No 'lay vato tsy mifindra Jeso Tompo irery No ' lay fehizoro indrindra. Jeso vato fehizoro Mampisinda ahiahy Fa mandresy horohoro Manatanjaka fanahy. O, ry vato tsara paika 'Zay mandray Anao am- po Dia mijoro tsy miraika N' inon' inona manjo. Vato azo itokiana sns...yạ rb ṣkẖrty Ota Seni sevaman Свой огонь зажги во мне Buď vždy pozdravené Ich laufe zum Vater على الصليب Io busso alla porta del tuo cuor Quiero recordar tu grande amor АГАРУ ТЫН 神啊愿你兴起
Song not available - connect to internet to try again?