Jeso, Vatolampinay ! O ! arovy izahay, Ka ny fonay mba sasao Manafaha anay izao, Mba tsy hisy izay hanjo Olon-tsy mahitsy fo. Tsy ny asa izay atao Mahatò ny didinao ; Tsy ny hazotoam-po No mahazo manadio ; Tsy ny ranomasonay No mahafa-trosa anay. Tsinontsinona izahay, Sady be ny helokay ; Ry Mpiaro lehibe, Jeso Tompo ! mamonje, Fa miankina Aminao Izahay mpanomponao. Tomoera aminay Raha ho faty izahay, Ary raha hiakatra ao Mba hiseho Aminao, Jeso, Vatolampinay ! O ! arovy izahay.Tisíc ráz pozdravujeme teba, ó Matička Božia Ježišova Я за Тобой Chci vždy Boha oslavovat Piccola anima Ti loderò Ты Мой Не бойся ничего Esulta என் மீட்பர் ரத்தம் சிந்தினார் يا سبب وجودي Min Chungnung Pen
Song not available - connect to internet to try again?