Jeso, Vatolampinay ! O ! arovy izahay, Ka ny fonay mba sasao Manafaha anay izao, Mba tsy hisy izay hanjo Olon-tsy mahitsy fo. Tsy ny asa izay atao Mahatò ny didinao ; Tsy ny hazotoam-po No mahazo manadio ; Tsy ny ranomasonay No mahafa-trosa anay. Tsinontsinona izahay, Sady be ny helokay ; Ry Mpiaro lehibe, Jeso Tompo ! mamonje, Fa miankina Aminao Izahay mpanomponao. Tomoera aminay Raha ho faty izahay, Ary raha hiakatra ao Mba hiseho Aminao, Jeso, Vatolampinay ! O ! arovy izahay.Comme une terre altérée عايز أسمع صوتك Ne kadar acı yaşlar döktüm 我们不后悔 Буду ходить пред лицом Господним Жизнь без конца... خۇدانىڭ ئىجادىتى Venid Fieles Venid Вся хвала Тобі наш Бог A solas al huerto
Song not available - connect to internet to try again?