Jesosy no Mpiandry Ny Fiangonanay ; Ny feon'izy ireny No feo fantatray, Ka tsy mba vala maro Ny Fiangonanay ; Iray tsy hay zaraina, Tapahin-Tompo iray. Iray no Vatolampy Izay iorenanay, Iray no Fehizoro Izay ikambanany, Iray no Mofon'aina Fihinanay etý, Iray no antenaina Ho azonay arý. Tabain'ny hevi-diso, Kanefa mbola iaraý ; Ny saina tsy mitovy Tsy mahazara anay ; Fisoko maromaro, Kanefa vala iray Ny Tompo no mpiaro Ny Fiangonanay. Ny teny samy hafa, Ny fomba tsy miray, Tsy misy maharava Ny fikambananay ; Ny fanenjehana aza Vao mainka mampiray Sy mahatsara laza Ny Fiangonanay. Ry Jeso ! hatanjaho Ny Fiangonanao, Ny fony halalaho Mba hitoeranao ; Izay firaisan-tsaina Miseho hatretý, Velomy hanana aina Hitohy hatrarý.我们静静等候 Ұлы да Киелі тағы Все к труду для Господа Он на кресте умер ạ̉bṭạl ạlạ̹ymạn Wielem słyszał o mieście Tańda kún shyǵady jylytyp jerdi Pour cet immense bonheur Хочу я только Je n'ai rien à craindre 主的灵聚集我们
Song not available - connect to internet to try again?