Jesosy no Mpiandry Ny Fiangonanay ; Ny feon'izy ireny No feo fantatray, Ka tsy mba vala maro Ny Fiangonanay ; Iray tsy hay zaraina, Tapahin-Tompo iray. Iray no Vatolampy Izay iorenanay, Iray no Fehizoro Izay ikambanany, Iray no Mofon'aina Fihinanay etý, Iray no antenaina Ho azonay arý. Tabain'ny hevi-diso, Kanefa mbola iaraý ; Ny saina tsy mitovy Tsy mahazara anay ; Fisoko maromaro, Kanefa vala iray Ny Tompo no mpiaro Ny Fiangonanay. Ny teny samy hafa, Ny fomba tsy miray, Tsy misy maharava Ny fikambananay ; Ny fanenjehana aza Vao mainka mampiray Sy mahatsara laza Ny Fiangonanay. Ry Jeso ! hatanjaho Ny Fiangonanao, Ny fony halalaho Mba hitoeranao ; Izay firaisan-tsaina Miseho hatretý, Velomy hanana aina Hitohy hatrarý.Lapsi oi Jumalan kẖlyny ạ̉qdr ạ̉bwtk Sé fiel hasta la muerte Az Úr győz Kristus, jenž za hříšné trpěl ʿmry mạ dqt sʿạdẗ In cerca di me stesso Tökéletes Jézus تعليق 4 - لمسني وقواني Jest jasno v duši mojí dnes
Song not available - connect to internet to try again?