Jesosy tena kiady Sy reharehanay, Namoha vavahady, Ny Tanindrazanay ; Nampiditra ny teny Hampahalala anay Ny Ray, ny fahendreny, Mba hianaranay. Na betsaka mifofo Ny Baibolinay, Mihaza sy milofo Moa ketraka izahay ? Jesosy no Mpiaro Ka moa ho kivy ve ? Vao mainka mihamaro Ny mpankasitraka e ! Mbola Izy no Filoha Mpitarika anay, Hitory ka hamoha Ireo namanay : Vahoaka an-tapitrisa No mbola hasondrotray, Hahita Paradisa Ho zanaky ny Ray. Ry Jeso, hatanjaho Ny fiangonana, Hijoro, ho tena taho Mamoa mandrakizay. Hianao anie no sandry Izay tena tanjakay, No sady hany andry Izay hijoroanay. Jesosy soa malala ! Tsy foinay Hianao, Ny fonay dia handala Ity lova taminao. Fanahy ravoravo Noho ny teninao, Ry Zanaky ny Avo, Izao misaotra Anao.Yücelerden Çağırdın Görkemine La foi fait tomber sous nos yeux Daughters of Zion Dziękuję mój Jezu ạ̉nt hw ṣkẖrẗ kẖlạṣy On vydal sebe za mne 宣教的心连起来 Нефес алан хер шей , Рабби ьов! Рабби ьов! В руках я Иисуса я у Его груди Adasyp kóp jyldar júrippin
Song not available - connect to internet to try again?