Jesosy tena kiady Sy reharehanay, Namoha vavahady, Ny Tanindrazanay ; Nampiditra ny teny Hampahalala anay Ny Ray, ny fahendreny, Mba hianaranay. Na betsaka mifofo Ny Baibolinay, Mihaza sy milofo Moa ketraka izahay ? Jesosy no Mpiaro Ka moa ho kivy ve ? Vao mainka mihamaro Ny mpankasitraka e ! Mbola Izy no Filoha Mpitarika anay, Hitory ka hamoha Ireo namanay : Vahoaka an-tapitrisa No mbola hasondrotray, Hahita Paradisa Ho zanaky ny Ray. Ry Jeso, hatanjaho Ny fiangonana, Hijoro, ho tena taho Mamoa mandrakizay. Hianao anie no sandry Izay tena tanjakay, No sady hany andry Izay hijoroanay. Jesosy soa malala ! Tsy foinay Hianao, Ny fonay dia handala Ity lova taminao. Fanahy ravoravo Noho ny teninao, Ry Zanaky ny Avo, Izao misaotra Anao.ამიხილე გულის თვალები Ҳамдлар бўлсин Suenen dulces himnos Когда устанешь ты в пути суровом Где найти для сердца утешение? ఏ తెగులూ నీ గుడారమున్ ZLATÉ MESTO О, Қудай Ийем! Та миний гэрэл Toată lumea asta zice
Song not available - connect to internet to try again?