Kristy miantso antsika hiady, Izy nandresy ilay ratsy sahady, Ka mba Henoy, ry sakaiza izao : Kristy miandry indrindra anao ! Mila antsika Kristy Mpanjaka. Kristy Mpitarika amin'ny ady, Ka mampandresy izay te-hifady Ny fahotana, izay maimbo sy lo ; Izy no manda mafin'ny fo. Miaro antsika Kristy Mpanjaka. Kristy mampiananatra antsika hahery, Izy miaro antsika sao very, Ka mba avia hifahatra ao, Indro ny ady mandroso izao Miantso antsika Kristy Mpanjaka. Kristy mamnjy antsika izay voa, Ary tsaboiny ho entiny koa Ho ao an-dapany mandrakizay Honina ao an-tranon'ny Ray. Haka antsika Kristy Mpamonjy. O, ry Jesosy Mpanjaka, Mpamonjy ! Tompon'ny dera aman-daza sy vonjy, Ireo rafinao mba reseo izao, Ka tanteraho izay sitrakao. O, mba avia, Kristy Mpanjaka.Zvuč, nebo aj zem! Dios en su trono está Ukáž svoj majestát mạḥdsẖ byḥbk Юпатинг Мени Раббим Ist Er würdig? Видите как молится тот пленный أدخلتنا الى الشبكه Оковы пали оковы пали Я хвалюсь Христом
Song not available - connect to internet to try again?