Iza no hanompo an'i Jeso soa ? Iza no hanaiky mba ha Azy moa ? He, ny hatsarany ! he, ny antra be ! Fa Izy ta-hamonjy, ka meteza re ! Jeso Tomponay ô ! Indreto izahay Avy mba hanaiky, Ka mandraisa anay. Iza re no mety, iza re, lazao, Hanome ny fony mba ho Azy izao ? He, miantso mafy Jeso Tompo tia, Izay rehetra mety, ô ! avia, avia ! Jeso Tomponay ..sns. Iza no mba sahy, sahy ao am-po Ho miaramila fehin'i Jeso ? Iza no hiady ady tsara re, Fa ny fahavalo dia marobe ? Jeso Tomponay ..sns. Iza re no homba Azy ankehitrio Mba hamonjy ireny azon'ny manjo ? Iza no hihafy sady hanome Andro, hery, saina ? Mamalia e ! Jeso Tomponay ..sns. Iza no hazoto mba hiasa moa ? Iza no handroso mba ho hendry koa ? Iza no hanaiky, iza re ? lazao ! Mba ho an'i Jeso, izao anio izao ? Jeso Tomponay ..sns.El Señor es mi pastor Сен кельдинъ бу дюньягьа Idzie Zbawiciel لحظة ما اشتكيت Бир йўл Господь мой как о Тебе молчать ماليش غيرك مين يسمعني Во Христе родившийся для битв Kumsawt In Chawl Ka I'm giving You my heart
Song not available - connect to internet to try again?