Iza no hanompo an'i Jeso soa ? Iza no hanaiky mba ha Azy moa ? He, ny hatsarany ! he, ny antra be ! Fa Izy ta-hamonjy, ka meteza re ! Jeso Tomponay ô ! Indreto izahay Avy mba hanaiky, Ka mandraisa anay. Iza re no mety, iza re, lazao, Hanome ny fony mba ho Azy izao ? He, miantso mafy Jeso Tompo tia, Izay rehetra mety, ô ! avia, avia ! Jeso Tomponay ..sns. Iza no mba sahy, sahy ao am-po Ho miaramila fehin'i Jeso ? Iza no hiady ady tsara re, Fa ny fahavalo dia marobe ? Jeso Tomponay ..sns. Iza re no homba Azy ankehitrio Mba hamonjy ireny azon'ny manjo ? Iza no hihafy sady hanome Andro, hery, saina ? Mamalia e ! Jeso Tomponay ..sns. Iza no hazoto mba hiasa moa ? Iza no handroso mba ho hendry koa ? Iza no hanaiky, iza re ? lazao ! Mba ho an'i Jeso, izao anio izao ? Jeso Tomponay ..sns.الله أمين وأب صالح Онун Адъ Иса Месих Revive Thy work, O Lord أيها المسيح ربنا العظيم Нет крепче скалы чем наш Бог Over and over Zwróćmy ku Panu spojrzenia HOLD TO GOD'S UNCHANGING HAND MARO IREO TANORA Shout for joy
Song not available - connect to internet to try again?