Mamafaza voa, ka aza mba malaina Fa tsy fantatrao re izay ho vanona Na amin'ny hariva, na amin'ny maraina Mamafaza voa, tsy mijanona. Matokia re, matokia re, Hisy amboara, ho anao anie ! Mamafaza voa amin'ny mahantra, Ka aza mba mifidy izay hasian-tsoa ; Fa ny fo mazoto sady feno antra Dia homen'ny Tompo valisoa tokoa, Matokia re, ..sns. Mamafaza voa amin'ny malemy, Ary mba ampio izay reraka ao am-po ; Asehoy Jesosy loharanon-kery, Ao no anovozy izay ilain'ny fo. Matokia re, ..sns. Miasà sakaiza ! milofosa tsara Dieny misy asa azonao atao ; Matahora sao tsy vita ilay anjara Izay napetraky ny Tompo aminao Matokia re, ..sns.Я Твой Свежие слезы 在人海中我遇见了你 ليس لي مقر Друг, пойдем со мной Sevgi boʻlsin Моите погрешки A new heart 우리는 기대하고 기도하며 기다리네 jạyyn nhtf
Song not available - connect to internet to try again?