Mamafaza voa, ka aza mba malaina Fa tsy fantatrao re izay ho vanona Na amin'ny hariva, na amin'ny maraina Mamafaza voa, tsy mijanona. Matokia re, matokia re, Hisy amboara, ho anao anie ! Mamafaza voa amin'ny mahantra, Ka aza mba mifidy izay hasian-tsoa ; Fa ny fo mazoto sady feno antra Dia homen'ny Tompo valisoa tokoa, Matokia re, ..sns. Mamafaza voa amin'ny malemy, Ary mba ampio izay reraka ao am-po ; Asehoy Jesosy loharanon-kery, Ao no anovozy izay ilain'ny fo. Matokia re, ..sns. Miasà sakaiza ! milofosa tsara Dieny misy asa azonao atao ; Matahora sao tsy vita ilay anjara Izay napetraky ny Tompo aminao Matokia re, ..sns.我的名字已记在天上 أز ِه بْپَرْزْم Не найдёт душа моя покоя Każdy może dziś О любовь пою Твое явленье Я кажу да Госпада ئەيسادا مۇھەببەت بار Біздің Құдай РАББИМГА ЯҚИНРОҚ Встану, я встану рано, буду, я буду славить
Song not available - connect to internet to try again?