Manana fiorenana Ny fiangonan'i Kristy ; Ela, fa he, tsy levona Izy na maro na vitsy ; Vavan'ny olo-masina Mety ho voatampina, Nefa tsy maty ny feo. Ny fiangona-masina Trano tsy mety mikoa, Izy no vato velona Rafitry ny Ray Tsitoha ; Jeso no fehizorony, Isika mirafitra aminy, Monina ao ny Fanahiny. Nefa mba misy koa atý Trano nataon-tanantsika Ho voninahitr'i Kristy, Mendrika ho tiantsika ; Fa ao no andrenesana Ny tenin'Andriamanitra, Mamin'ny olona mino. Ao ny Batisa masina, Izay tena ranon'ny aina ; Ao Ilay Mpihaino vavaka, Tokin'izay mitaraina ; Ao koa ny Fandraisana, Dia ny sakafo masina, Tena aman-dràn'i Jesosy. Enga ka mba ho fantatra Amin'ny tany rehetra ; Ilay loharano velona, Sady tsy mety ho ritra ! Raha ny lakolosy velona, Faly izay mpivavaka, Fa manantena hihaona. Raiso, ry Kristy, ho Anao, Ny fideranay anio ! Ampandrosoy ny teninao, Ny ondry very vorio Mandra-pikambany hiray, Amin'ny valanao indray, Fa Hianao no Mpiandry.Ciągle idę Chant victorieux اتكالي عليك ياسيد اتكالي عليك Худони олқишла wlys bạ̉ḥd gẖyrh ạlkẖlạṣ الى رحب لا حصر فيه bạdwr ʿlyk kl sẖy bwqth Ты Вседержитель благой Тому Кто смертью крестной
Song not available - connect to internet to try again?