Manana fiorenana Ny fiangonan'i Kristy ; Ela, fa he, tsy levona Izy na maro na vitsy ; Vavan'ny olo-masina Mety ho voatampina, Nefa tsy maty ny feo. Ny fiangona-masina Trano tsy mety mikoa, Izy no vato velona Rafitry ny Ray Tsitoha ; Jeso no fehizorony, Isika mirafitra aminy, Monina ao ny Fanahiny. Nefa mba misy koa atý Trano nataon-tanantsika Ho voninahitr'i Kristy, Mendrika ho tiantsika ; Fa ao no andrenesana Ny tenin'Andriamanitra, Mamin'ny olona mino. Ao ny Batisa masina, Izay tena ranon'ny aina ; Ao Ilay Mpihaino vavaka, Tokin'izay mitaraina ; Ao koa ny Fandraisana, Dia ny sakafo masina, Tena aman-dràn'i Jesosy. Enga ka mba ho fantatra Amin'ny tany rehetra ; Ilay loharano velona, Sady tsy mety ho ritra ! Raha ny lakolosy velona, Faly izay mpivavaka, Fa manantena hihaona. Raiso, ry Kristy, ho Anao, Ny fideranay anio ! Ampandrosoy ny teninao, Ny ondry very vorio Mandra-pikambany hiray, Amin'ny valanao indray, Fa Hianao no Mpiandry.yạ kẖạlq ạnt ạlḥnạn ของประทานแห่งพระวิญญาณ ạ̉nạ bạsẖky ḥạly 我们的名字不再叫雅各 Ak ľud môjho mena sa pokorí Bagai Bumi Yang Kauhias Ýaz wagtyň gowy Günlerinde Cieszę się wciąż Христос воскрес ликуй земля Et que ton règne glorieux
Song not available - connect to internet to try again?