Mba ekeo, ry Jeso Tompo, Izahay madinikao, Fa maniry te-hanompo Sy hanao ny sitrakao ; Tsy mba zaza noterena, Na nomena zava-tsoa, Fa minia manolo-tena, Ho Anao tokoa tokoa. Tsy ny manan-kery ihany, Na ny lalin-tsaina koa No mahazo miandany Aminao, Mpamonjy soa ; Fa ny mbola zaza osa, Ka malemy toa anay, Izay mba te-hidodododo Homba Anao, Mpanjakanay. Maminay ny fanompoana Izay natolotrao anay, Ka hataonay sasa-poana Izay mamily dia anay, Fa ny hany mba ilaina, Dia ny fanohananao ; Mba ho azonay vitaina Izay rehetra sitrakao. Enga anie ny faniriana, Izay anananay izao, Ka harahim-pitahiana Sy hotanterahinao Dia ho feno fifaliana Ny fanahy anatinay, Ka tsy hisy hakiviana Hanan-kery aminay.Йерйюзюнде Она ЬОвгюлер Сунун Mening ruhim Xudo sevar ạ̉kẖṭyt wrạjʿ Небо на мене чекає Давуд ве Голјат Cand spre Tine imi intorc privirea Бог любовь вещает слово Христос Воскрес! О, слава Богу! В суровой жизненной борьбе
Song not available - connect to internet to try again?