Mba henoy ny feon'i Jeso, Ry mpanota very ô ! Atsaharo re ny ota, Izay mamery aina anao ; Jeso Tompo no miantso, Aoka tsy ho lavinao ; Dieny mbola re ny antso, Manatòna hianao. Izao no tenin'ny Mpamonjy Izay lazainy aminao : " Manatòna Ahy, Vonjy Sy Mpamela helokao ; Izaho, Tompo feno antra, Hanome anao ny soa, Ka ny helokao rehetra Dia ho afaka tokoa " Izaho koa no Vavahady Izay hidiranao izao, Sady Lalan-toratady Izay mankao an-danitra ao ; Izaho dia Mofon'aina Sady Raon'aina koa ; Tsy mba misy miala maina Izay rehetra tia tokoa. Indro, efa maty Aho Hanavotako anao ; Moa tsy hatolotra Ahy Ny fanahinao izao ? Ry mpanota ! mihevera, Aoka izay ny ditranao, Manatòna, manatòna Ahy, Jeso Avotrao.Poderoso Deus Нажот топганлар Hudoyimni izlanglar odamlar Veď ma sám Поздний дождь Oh Jesús mi Salvador Käy taiten sä kristitty مرة قعدت وكنت خايف Ким дуярса Иса'йъ Шоул Исроилнинг шоҳи
Song not available - connect to internet to try again?