Mba sainonao ange, Sao tsy mba fantatrao Ny zava-dehibe Nataoko ho anao : // Hevero, ka lazao, lazao Izay mba vitanao // Ny lapako tarý, Ny fahefako tao, Nilaozako tatý Hanavotra aina anao : // Hevero, ka lazao, lazao Izay mba foinao // Heveroronao ange, Ny nisoloanao anao ; Nangidy indrindra anie Ny nahazoana anao : // Hevero, ka lazao, lazao Izay mba nentinao // Endre ! ny aiko koa Nomeko ho anao ; Tsy misy zava-tsoa Tsy foiko ho anao : // Hevero, ka lazao, lazao Izay mba taminao // Ry Tompo be fitia ! Endrey, ity vitanao ; Izaho izay mpania Tsy mahavaly izao : // Ny aiko no mba raisonao Hanao ny sitrakao //В дверь твою Иисус стучит ṭạl ạntẓạry ạ̹lyh СӘНДӘ ҜӨРДҮМ حسن هو الحمد Gesù dolce musica Dnes výzva letí Ba Mai Iya Bauta Ma Allah Biyu Jezu, Tyś wszystkim dla mnie jest ربي يسوع مخلصي ạ̉nạ ḥy byk
Song not available - connect to internet to try again?