Miaingà, ry fo sy saina, Mba ho any Golgota, Maty tao ny Tompon'aina, Vita tao ny avotra. Ry mahantra, ry mania, Sady raiki-tahotra, Ny Mpamonjy be fitia Hahitanao avotra ! Fa ny ainao ry Mpamonjy, Nisoloanao anay Hahazoanay ny vonjy Sy hahafa-trosa anay ! Vatofantsiky ny aiko, Hianao, Mpamonjy ô ! Ravoravo izao ny saiko Afakao ny heloko ! Ny manjo atý an-tany, Tsy mba hatahorako, Fa izaho dia ho any Amin'ny Mpanavotro, Tombon-dahiko tokoa Ny fahafatesana, Hahatrarako ny soa, Dia ny fiainana !Fais jaillir حب كتير السهرية In Tine ma incred Раббим келар Голубые розы Agneau, victime expiatoire Иса'я Хер Шейи Вер EC-NS Kralj Kraljeva (King of Kings) Formato ed usato Najotkorim yolgʻiz Sen
Song not available - connect to internet to try again?