Miakara, miakara, Ry Mpanjaka lehibe ! Vitanao ny famonjena 'Zay nalehanao tatý, Mihobia, ry anjely ! Ka derao ny Tomponao, Voninahitra sy haja Atolory Azy izao ! Miakara, miakara, Ry Mpandresy lehibe ! Eso, latsa, fahoriana No anjaranao tatý ; 'Zao ny lanitra miandry, Miandry hiverenanao ; Renao ao ny feo manako, Feno fanajana Anao. Miakara, ry Mpamonjy ! Ravo ny navotanao ; Izahy atý an-tany, Faly te-hidera Anao ; Raisonao ny fiderana 'Zay atolotray izao ; Haleloia ! Haleloia ! Ho Anao Mpanavotray !Shattanaıyq barlyǵymyz ltjʿl wjhk Sen úshin ómir súrem yạ msyḥnạ Ježišu si môj Pán L'Esprit du Seigneur Фақат Исога мен эргашаман Merveilleux, si merveilleux Si mojou skrýšou v čase búrok ḍyqty btzyd
Song not available - connect to internet to try again?