Miderà anio, ry mino, Ny Mpanavotra anareo ! Manandrata feo hidera An'i Kristy, Tompo soa ; Zanaky ny vehivavy, Nefa Andriananahary ; Teraka ho olona, Mba hanavotra anareo ; Teraka any Betlehema 'Lay Mpanavotra anareo ! Taitra ny mpiandry ondry, Ary koa nivadi-po, Tamin'ny anjely maro Tonga tany aminy. Fa isika tsy ho taitra, Fa ho faly sy ho ravo ; Sitraky ny Tompo soa Nidina nankatý ; Teraka any Betlehema Jeso Kristy ,Tompo soa ! Aza taitra, matokia, Manatòna, mihainoa, Mazotoa, ka avia, Maneke ny Tompo soa, Arahaba, Tomponay ô ! Tompom-pihavananay, Teraka ho Tomponay ; Tompon'ny fiainanay ; Arahaba, Tomponay ! Ry Mpanavo-dehibe !Муж скорбей В Отчизне Небесной Христа озарённой Сенин Сьозюнле Ийилештим THLACAMMI VIALTE kyf ạ̉kẖlṣ mn dẖnby Mon secours est en toi Helig (Kadosh) O, ry Raiko Izay mpandahatra Na Zo Gare Ka, Ya Allahna Inson ishonsa
Song not available - connect to internet to try again?