Miely lavitra any Ny olo-marobe Koa iza no hankany, Hamonjy azy re ; Hanorina sekoly, Hitory teny koa, Hamaky ny Baiboly Milaza zava-tsoa ? Indreny olona ory Tsinjovy rizareo ! Tsy misy ny mpitory, Ka moa hafoinareo ? Tsarovy Jeso Tompo Nandao ny lapa soa, Ka tonga mba hanompo, Nanolotra aina koa. Ry Lohan'ny mpiandry ! Tendreo ny irakao, Fa reraka mandry Ny ondrikelinao ; Iraho ny mpitory Handeha ankehitrio, Ka tsy handà akory Hanao veloma anio. Ny tia famonjena Miaramila soa ; Izay manolo-tena No iraka tokoa ; Na lavitra ny tany, Hanendry tena hoe : " Izaho no hankany, Iraho aho e ! "Мы получаем сил Qoy yağsın bu şəhərə عظيم هو ربنا kdẖbwạ I Hunger and I Thirst / Dolomite Chant / Quam dilects Улугбек - Узбек Миллий Праисе Сонгс 14 Часто жизнь бросает как ладью волной Օրհնում եմ Անունդ Mne dostalo sa zmilovania Psalm 23
Song not available - connect to internet to try again?