Miely lavitra any Ny olo-marobe Koa iza no hankany, Hamonjy azy re ; Hanorina sekoly, Hitory teny koa, Hamaky ny Baiboly Milaza zava-tsoa ? Indreny olona ory Tsinjovy rizareo ! Tsy misy ny mpitory, Ka moa hafoinareo ? Tsarovy Jeso Tompo Nandao ny lapa soa, Ka tonga mba hanompo, Nanolotra aina koa. Ry Lohan'ny mpiandry ! Tendreo ny irakao, Fa reraka mandry Ny ondrikelinao ; Iraho ny mpitory Handeha ankehitrio, Ka tsy handà akory Hanao veloma anio. Ny tia famonjena Miaramila soa ; Izay manolo-tena No iraka tokoa ; Na lavitra ny tany, Hanendry tena hoe : " Izaho no hankany, Iraho aho e ! "Это всё о Тебе Mafy ny alon-drano izao Dies sind die tage Eliahs Di Jalan Hidup Yang Lebar, Sempit ạlrb rḥym AMAN BETLEHEM Tu sei Santo Göklerden Melek Seslendi Ты увлёк меня Darıxıram Səninlə, nəhayət, qovuşmaq üçün
Song not available - connect to internet to try again?