Miorena mafy tsara Amin'Ilay Vatosoa, Mandrosoa, mifahara, Mifikira mafy koa, He ! ny Tompo manambara Fa ho sambatra tokoa, Ka ho tsara miafara Ny mpanompo mahasoa. Raha misy fahoriana Izay midona aminao, Raiso re ho fitahiana Izay omen'ny Tomponao ; Fa ny lalam-pijaliana Izay alehanao izao Dia mamelom-paniriana Hitomboan'ny herinao. Miadia ny ady tsara, Ho mpandresy hianao ; Tontosay izay anjara Eo am-pelatananao ; Jeso Tompo no mijery Sy mahita ny atao, Koa dia tsy mba hisy very Izay rehetra vitanao. Ry Jesosy ! hatanjaho Ity mpanolo-tenanao, Miangavy, mitalaho, Ka iteneno, Tompo ô ! Aoka re ho tena taho Izay mikambana aminao. Ka ny foko halalaho, Diovy ho Tempolinao.nḥn ạldẖyn mtnạ ʿn ạlkẖṭyẗ 我们是 Рішив піти я за Іісусом Бир куш гиби сьойлейим тюркюлери مهما كان Наш Отец - Бог ەلەستەتەم مەن ار دايىم Non avrò paura Kral İsa her şey إشارة ناطر من الله
Song not available - connect to internet to try again?