Misaotra Anao, Jesosy ô, Ny olom-boavonjy, Fa be dia be ny indrafo Nataonao, ry Mpamonjy ; Fa tonga ory Hianao, Ny ainao no natolotrao Nisolo ny mpanota Ampibebaho izahay Ho olonao manoa ; Ny ota ivesaranay Esory avokoa, Ny fifaliana vaovao No aoka mba hasolonao Ny alahelom-ponay. Ampio izahay izao Hinoanay ny teny Izay nolazain'ny vavanao, Fa tanjakay ireny : Izao no angatahinay, Mba hatanjaho izahay Hanaraka izany.Chantons d'un cœur joyeux Юрагим Подшоҳи В светлината на Твоята мощ Jesus is our Shepherd اختبرتني عرفتني fryq ạltsbyḥ ạ̉ṭfạl Имануил Құдай бізбен бірге Куйиб адо бўларди (анъанавий) БИР ГУРТАРЫҸЫМ ВАР Rab bizi sevdi
Song not available - connect to internet to try again?