Misy fahavalo maro Te-hiady aminay, Faly sy miravoravo Raha mamotraka anay ; Izahay tsy manan-kery Handresenay azy ireo ; Ry Mpamonjy olom-bery ! Jeso Tompo ô ! vonjeo. He ! mibaiko ny devoly, Ilay mpihaza aina soa, Ka mikendry hanangoly Sy handatsaka aina koa ; Tsy mba misy izay hanampy Hampandositra azy izao ; Hianao no tsy manary Jeso Tompo ô ! vonjeo. Indreo ny fandrika harato Izay mivelatra avokoa, Tsara sy milantolanto, Toa fiainana tokoa ; Kanjo indrisy ny mahazo Izay fatoran'izy ireo ; Tsy mba hainy ny miala ; Jeso Tompo ô ! vonjeo. Miomana ry sakaiza ! Be ny fahavalonao ; Mitandrema sy mahaiza, Sarotra ny lalanao ; Aza mba matoky tena, Fa ny Tompo no jereo ; Indrisy re ny halemena ; Jeso Tompo ô ! vonjeo.تعال بقلبك hl qd dẖbḥt mn ạ̉jly Երբ ես աղոթեմ క్రీస్మస్ పండుగ వచ్చేనులే నేడు Az Úr tüze szívünkben ég Киелі Рух төгіледі Christ is mine forevermore أم وَندا بوون Kwiat przepiękny znalazłem w młodości ạlmrạ̉ẗ ạlkẖạṭỷẗ
Song not available - connect to internet to try again?