Misy fahavalo maro Te-hiady aminay, Faly sy miravoravo Raha mamotraka anay ; Izahay tsy manan-kery Handresenay azy ireo ; Ry Mpamonjy olom-bery ! Jeso Tompo ô ! vonjeo. He ! mibaiko ny devoly, Ilay mpihaza aina soa, Ka mikendry hanangoly Sy handatsaka aina koa ; Tsy mba misy izay hanampy Hampandositra azy izao ; Hianao no tsy manary Jeso Tompo ô ! vonjeo. Indreo ny fandrika harato Izay mivelatra avokoa, Tsara sy milantolanto, Toa fiainana tokoa ; Kanjo indrisy ny mahazo Izay fatoran'izy ireo ; Tsy mba hainy ny miala ; Jeso Tompo ô ! vonjeo. Miomana ry sakaiza ! Be ny fahavalonao ; Mitandrema sy mahaiza, Sarotra ny lalanao ; Aza mba matoky tena, Fa ny Tompo no jereo ; Indrisy re ny halemena ; Jeso Tompo ô ! vonjeo.قبلت الرسالة К Тебе спешат мои мечты о Христос Mmoja Apita Wote Hay peligros, oh amigos Sözündeki Kişiyim Мой Бог так велик, Он могучий, Он сильный ạ̉nạ gẖryb wtạyh mn mạʾ ạlrạḥẗ A l'Agneau sur son trône Náš Pán je slávny
Song not available - connect to internet to try again?