Mombà anay, ry Jeso Tompo ô ! Fa maizina ny alina atý ; Tsy misy vonjy raha tsy Aminao ; Mpamonjy tia ô ! mombà anay. Mandalo koa ny andronay etý Ka mihalo ny fifalianay ; Miovaova izao rehetra izao Ry tsy miova ô ! mombà anay. Aza mba mivahiny aminay, Aza mihevitra ny helokay ; Aoka ho be ny famindranao fo ; Ry Jeso Tompo ô ! mombà anay. Tsy mahaleo tena izahay, Fa mora resy, mora kivy koa ; Ry Jeso Tompo ! aoka honenanao Etý an-dasin'ny mpanomponao. Ny teninao no fifalianay ; Ny masonao mitari-dalana ; Ary ny herinao no tanjakay ; Sakaiza tsara ô ! mombà anay. Izay ombanao afa-tahotra, Tsy mety kivy na mamoy fo ; Tsy misy fahoriana izay Haninona ny fo arovanao. Rehefa tonga ny fotoana Hitànay ilay ony maizina, Aoka ny tavanao hazava ao, Amin'izany re mombà anay.kl ywm byʿdy ماتفكرش كتير ده يسوع Бог казва и аз Му вярвам Лайък Tanrımız Ne Yüce tmly fạkr Бизлер Раб'би Севмек Ичин Яратълдък Wznoszę ręce swe ملقين كل همكم عليه Энди Дейман Мен Озодман
Song not available - connect to internet to try again?