Mombà anay, ry Jeso Tompo ô ! Fa maizina ny alina atý ; Tsy misy vonjy raha tsy Aminao ; Mpamonjy tia ô ! mombà anay. Mandalo koa ny andronay etý Ka mihalo ny fifalianay ; Miovaova izao rehetra izao Ry tsy miova ô ! mombà anay. Aza mba mivahiny aminay, Aza mihevitra ny helokay ; Aoka ho be ny famindranao fo ; Ry Jeso Tompo ô ! mombà anay. Tsy mahaleo tena izahay, Fa mora resy, mora kivy koa ; Ry Jeso Tompo ! aoka honenanao Etý an-dasin'ny mpanomponao. Ny teninao no fifalianay ; Ny masonao mitari-dalana ; Ary ny herinao no tanjakay ; Sakaiza tsara ô ! mombà anay. Izay ombanao afa-tahotra, Tsy mety kivy na mamoy fo ; Tsy misy fahoriana izay Haninona ny fo arovanao. Rehefa tonga ny fotoana Hitànay ilay ony maizina, Aoka ny tavanao hazava ao, Amin'izany re mombà anay.Чувстваш ли се сам в света Niakatra ao an-danitra Žalm 8 ئەي خۇدايىم كۈنۈڭ پاتتى ạ̉nạ ʿạysẖ З Днем Різдва! З Днем Різдва! З Днем Різдва! Naveky Svätý Rabbim biz bilan boʻlgin Far and near the fields kl ạlsẖms
Song not available - connect to internet to try again?