Mpamonjy, Masoandronay ! Fahazavan'ny alinay Ny zavon-tany mba savao Tsy hanakonany Anao. Tontolo andro Hianao No anton'ny iainanay ; Raha alina, mombà anay, Ny faty tsy ho tahotray. Ny aizina mba hazavao, Tarihonao ny lalana Halehanay an-efitra Ho tonga any aminao. Izay marary mba tsaboy, Ny ory aza afoinao, Ho toy ny torin-jaza anie Ny fiadananay izao. Tahio ny hifohazanay Hanaovanay ny sitrakao Ambara-pahatapitra Ny andro ivelomanay. Raha mby aminao izahay, Hahita fiadanana, Fa ao tsy misy alina, Hianao no Masoandronay.不知道哪一天 Rəbbə iman edənlərə O, əbədi həyat veribdir Le Tue meraviglie Сени йюджелтирим Adalah Hal Yang Tak 'Ku Tahu Ó, vyvýšený Pán أرعد الرب Галдырырам əллəрими lạ̉nk ly ʿzft ạllyl Теңирди даңктаймын
Song not available - connect to internet to try again?