Mpamonjy, Masoandronay ! Fahazavan'ny alinay Ny zavon-tany mba savao Tsy hanakonany Anao. Tontolo andro Hianao No anton'ny iainanay ; Raha alina, mombà anay, Ny faty tsy ho tahotray. Ny aizina mba hazavao, Tarihonao ny lalana Halehanay an-efitra Ho tonga any aminao. Izay marary mba tsaboy, Ny ory aza afoinao, Ho toy ny torin-jaza anie Ny fiadananay izao. Tahio ny hifohazanay Hanaovanay ny sitrakao Ambara-pahatapitra Ny andro ivelomanay. Raha mby aminao izahay, Hahita fiadanana, Fa ao tsy misy alina, Hianao no Masoandronay.Si večný Boh, si mocný Kráľ Есүсийн нэрээр босъё قۇدايدى چىن جۉرۅكتۅن سۉيگۉلۅ، دوستور Spievaj Pánovi celá zem باللحن مع الأشعار mn ạ̹ḥsạn 使命如山 تەڭىرىم، ۅمۉر بەردىڭ بىزگە جاڭى Padamu, Tuhan, Kuserahkan Jiwa Ragaku سألوذ بحضنك
Song not available - connect to internet to try again?