Na aiza no alehako, Dia misy izay ahina, Fa be ny fahavaloko Mahery sy kirina. Mikendry fatratra Ireo mpamitaka, Ka dia hazoniko ny to, Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Dia misy ady mafy ; Ny ota hotoheriko, Hataoko tena rafy ; Ny fahoriana, Izay fikapohana, Tsy maintsy hiaretako, Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Ny fasana mangina Miandry eo alohako, Fa aloka ny aina Sy toy ny zavona Malaky levona ; Izany no tsaroakao Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Momba ahy ny anjely, Ka tsy mba hatahorako Satana izay mpamely, Ry izao tontolo izao, Ho resy hianao, Anjely re ho namako Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Jesosy no kiady ; Ny ratrany no aroko Sy herin'ny mpiady. Ny dian-tongony Arahiko atý, Ka fandresena azoko Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Ny lanitra andrandraiko, Ka ravo ny fanahiko, Fa ao ny Tompon'aiko, Ry izao tontolo izao, Ny voninahitrao Dia vovoka hitsahiko ; Ny lanitra ao alohako.Когда душа изранена Hope of all hearts Байгаа бүхнээ Meggyógyítod, aki szenved Vypravuj mi o mém Pánu ขอให้พระเกียรติจงมีแด่ Cine altul decat Isus În casa Ta Doamne aud Cuvântul Sfânt Хайрын их Эзэн Veríme vo všemocného
Song not available - connect to internet to try again?