Na aiza no alehako, Dia misy izay ahina, Fa be ny fahavaloko Mahery sy kirina. Mikendry fatratra Ireo mpamitaka, Ka dia hazoniko ny to, Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Dia misy ady mafy ; Ny ota hotoheriko, Hataoko tena rafy ; Ny fahoriana, Izay fikapohana, Tsy maintsy hiaretako, Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Ny fasana mangina Miandry eo alohako, Fa aloka ny aina Sy toy ny zavona Malaky levona ; Izany no tsaroakao Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Momba ahy ny anjely, Ka tsy mba hatahorako Satana izay mpamely, Ry izao tontolo izao, Ho resy hianao, Anjely re ho namako Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Jesosy no kiady ; Ny ratrany no aroko Sy herin'ny mpiady. Ny dian-tongony Arahiko atý, Ka fandresena azoko Na aiza no alehako. Na aiza no alehako, Ny lanitra andrandraiko, Ka ravo ny fanahiko, Fa ao ny Tompon'aiko, Ry izao tontolo izao, Ny voninahitrao Dia vovoka hitsahiko ; Ny lanitra ao alohako.Sobota Pánova, vzácny to čas Прославляй Иисуса, прославляй ᠲᠠᠨ ᠢ ᠭᠡᠬᠦ ᠰᠡᠳᠬᠢᠯ นั่นไม่ใช่ฤทธิ์หรือแรง أدنو اليك ارتاح Isuse de pe-acest pământ Қараңғы түн аспанда, Иса нұрын төгіп тұр Ангельское пенье в небесах звучит Jezu Kriste, Pane milý Dobrý pastier sa narodil
Song not available - connect to internet to try again?