Nohariana mba ho tsara ny tontolo Ka ho sambatra, ho mendrika ny Ray Nihasimba, simban'ota dia nisolo Fanjakan'ny haratsiana mahamay, Nisy anefa Tompo izay nampanantena Mba hamerina ny soa 'zay efa very Kristy fiainana mizara famonjena, Tokana no azo antok'Izy irery. Noharina mba ho iray isika mpino Ka hanompo Tompo tokana Tsitoha Ndrisy anefa, fa mikipy manadino Fa matory am-pisarahana tsy mifoha Nisy anefa, mbola misy Tompo iray Azo toky fa hamory ny mania Kristy fiainana, hanangona indray Ny Fiangonany hiray raha toa minia Tsia, tsy nisy nohariana mba hijaly Tsia, tsy nisy voatokana ho faly Tsy hi-fandrafy sy hiady sanatria No namoronana ny olona, ô, tsia! Fa ireny vokatry ny kihotana Ka mamikitra, tapisaka, lovàna 'Reo rehetr'ireo ho levona sy foana Raha Kristy Fiainana no ho Tomponao.Мянган удаа би дуудсан ч Shalom, shalom, Jerusalaim أسمه يمتد إلي الدهر Рождество bttẖbt wjwdk ạqdr ạ̉wạjh byk ạlṣʿb Táruljatok fel, örök kapuk وقفت ببابك يا خالقي Изливаешь Дух с небес Yo quisiera conocerte mucho más
Song not available - connect to internet to try again?