Ny eo akaikinao, ry Ray, No mamiko izao, Hanjary tena tafaray Ny foko sy ny Anao, Soa re, ry Raiko ô ! Raha eo anilanao ; Ny hazo fijaliana Ho tonga maivana. Ny eo akaikinao, ry Ray, No herin-janakao ; Hianao irery no mahay Manampy ahy izao. Soa re, ry Raiko ô ! Raha eo anilanao ; Ny ota tsy hanapaka Ny olona afaka. Ny eo akaikinao, ry Ray, No mandako tokoa ; Ny ratsy dia tsy hahay Handrombaka ahy koa, Soa re, ry Raiko ô ! Raha eo anilanao ; Ny ora izay manjombona Ho fiadanana. Ny eo akaikinao, ry Ray, No fifaliako izao, Ny tanako dia hifandray Amin'ny tananao. Soa re, ry Raiko ô ! Raha eo anilanao ; Fenoinao fanambinan-tsoa Ilay kapoakako.Opp til Deg O Gud Կարոտ եմ Քո Տեսքին Pane, Kriste, spása moja Chci mít tě, Bože můj Небеса Небес Здесь на земле где ты пока живешь VIII. My mamy pewną skałę قربك ربي يسوع Със страх пред Божия престол O quanto è bello
Song not available - connect to internet to try again?