Ny fihaonana an-tany, Ry Jesosy Tomponay, Vetivety, mora lany, Ka mangoraka izahay ; Namana nifankazatra Hifanao veloma anio, Ry Jesosy be fiantra, Ny mpandeha mba tahio. Ny ho lasa mba tantano Tsy ho voa an-dalana ; Ny hitoetra koa tohano, Dia mba hiadana. Na maraina na hariva, Na aiza alehany etý, Mba ombay mandrakariva Mandra-podiny arý. Any volana, any taona, Ny misaraka izao Enga anie ho tafahaona Raha mbola sitrakao. Ilay fihaonana ao ambony No irinay fatratra, Tsy hisaraka intsony Izahay ka sambatra.BAWIPA CU THANGTHAT A SI ạ̉lqy ḥmly ʿly̱ yswʿ Himmlischer Vater von Dir fließt Gnade يا نفس ماذا لي هنا Вера в Единого Творца Жажду я Тебя Siamo qui هيا تعالوا نفرح وننشد ʿẓym ạ̹lhnạ Jedine s láskou
Song not available - connect to internet to try again?