Ny fitiavanao No mahagaga anay, Ry Zanak'Andriamanitra ô ! Ry Jeso Tomponay ! Hanavotra aina anay No nijalianao, Ka famonjena lehibe No azonay izao. Ny mofo sy divay, Izay haninay izao, Dia mampiseho aminay Ny fitiavanao. Avia, Jeso ô ! Avia ankehitrio, Ka ny fanahinay sasao Ho tsara sy madio. Mampaneke anay Hanao ny sitrakao, Ka aoka tsy ho tianay Izay tsy tianao. Monena aminay, Ry Tompo be fitia ! Ka aza ilaozanao izahay Mandrakizay doria.Мақсаты жоқ адамдар Ведь наши души стоят на обрыве Сароям ىيسانىن قانى تۅگۉلۉپ أحبك لأنك أحببتني ạ̹n ạ̉ṣạbtny ạltjạrb Предо мной рубеж я стою на границе Sen Xudoga ishon (anʼanaviy) Он зовёт 주 앞에 다 엎드려
Song not available - connect to internet to try again?