Ny foko, ry Mpamonjy, Mangetaheta Anao, Maniry lalandava Hikambana Aminao. Tsy afaka ao am-poko Ny faniriana Anao ; Oneno re ny foko Ho lapanao ! Ny androm-pahoriana, Raha lapanao ny fo, Manjary fitahiana, Izay manadio ny fo : Tsy afaka ao ..sns. Ny ora fifaliana, Raha ao anilanao, Mamelom-paniriana Hanao ny sitrakao : Tsy afaka ao ..sns. Ho lao ny fahotako Raha akaikezinao, Tsy misy hadalako Izay tsy afakao : Tsy afaka ao ..sns. Finaritra ny saiko Raha ipetrahanao, Fa reraka ny aiko Raha halavirinao : Tsy afaka ao ..sns.Fais-moi dès le matin fwq ạlryạsạt Открой для Бога сердце Coros celestiales No lehos del reino del cielo Святый Святый Ты достоин xuān jiào de xīn lián qǐ lái САМО ТИ ИСУС Mám poklad v nebi
Song not available - connect to internet to try again?