Ny masoandronay Mirefarefa izao, Madiva hody izahay Hiverina Aminao ; Ry Jeso ô ! sasao, Sasao madio izahay, Ho mendrika ny lanitra Izay honenanay. Tsy ela intsony koa Ity ady lava ity, Ho afa-tsasatra tokoa Rehefa tonga arý : Ry Jeso ô ! sasao, ..sns. Madiva ho hitanay Ilay Tomponay arý, Madiva hihaona aminay Ny namanay tatý : Ry Jeso ô ! sasao, ..sns. He ! kely sisa izao No hisentoanay, Dia ho fafan'ny tananao Ny ranomasonay : Ry Jeso ô ! sasao, ..sns. Ity hita maso ity, Izay tsy mahefa-po, Hisolo paradisa arý, Izay hifalian'ny fo : Ry Jeso ô ! sasao, ..sns.Słowo Twe Рəбб Чобанымдыр Һаллелуја Мен сага арнаймын Кудайдын сүйүүсүн Prin Isus avem victorie Ya Tuhan, Ya Allahku Что такое счастье? Ако всичко имах без Исуса Севирəм чох Сəни Танрым ทรงเป็นพระเจ้าของข้า
Song not available - connect to internet to try again?