Ny Pentekosta tonga izao ; Fanahy ô, ny jironao Velomy ao anatiko Hahafantarako ny to. Ampisehoy, Fanahy ô Fa Jeso no fiainako, Ka Izy dia làlana Ho amin'ny fiainana. Dia mba tarihonao ny fo Tohano ny fanahiko ; Ampio ny finoako Hahita ny Mpanavotro. Fa Hianao, Fanahy ô ! Hanova ny fanahiko, Ka raiso sy diovinao Ny foko ho fonenanao. Ny hazo-fijaliana, Anjara hivesarana, Fa Hianao, ry Heriko, Mba miaraha amiko. Mba asehoy ho fantatra Ny soa tsy ho tapitra, Ny satro-boninahitra Homen'Andriamanitra. O, ry Fanahy Masina ô ! Ampaherezonao ny fo, Ka hazavao ny lalako, Raha avy ny hodiako.Esti atât de obosit, iubite călător ạ̉sẖrq bmjdk ʿly̱ ḥyạtnạ 主爱我的爱 THOU ART COMING شوفوا الجندي БОЙЫН БЕРГЕН БИС УЧУН ماتستغربش Men oʻzim va oilam When the ocean is rising Возвысьте голос в песне
Song not available - connect to internet to try again?