Ny voarain'Andriamanitra arý Ka afaka tatý An-tany be mahory, Dia lasa nody, fa tsy maty tsy akory. Ny tafafindra monina ao an-danitra ao, Nankao an-tany vao Fonenan'ny mazava, Dia tsy mba maty, fa nandao ny mety rava. Ny voasatro-boninahitra tsy lo, Ka ao manaram-po Misotro ranon'aina, Dia tsy mba maty, fa nandray ny nantenaina. Ny ondrinao izay manaraka Anao Ho ao am-balanao, Ry Ilay Mpiandry Tsara, Dia tsy mba maty re, fa tsara fiafara. Ny fo mivantana aminao Izay nanome Ny hasambaram-be Nandramany sahady, Dia tsy mba maty, fa mpandresy afaka ady.Vet du hvorfor jeg er så glad Sejahtera Tuhan الله بيحبني Муқәддәстур Худа! ترنيمة جديدة hạfrḥ byk yạ ạ̹lhy Ҳаллелуё وسط زمان Era o zi de dalbă primăvară kẖly bạlk
Song not available - connect to internet to try again?