O, ry Jesosy, omeo ny hery, Mba handreseko ny ota izao ! Osa sy ketraka aho irery, Raha tsy avy izao Hianao. Raiso ny fo. Tano tokoa, Mba handreseko, ry Tompoko ô ! O, ry Jesosy, omeo ny hery, Ka amboary ny fonay izao ; O, mba esory izay mahavery, Mitomoera aminay Hianao ; Ka hazavao Ny fo izao Ampandosiro ny aizina ao ! O, ry Jesosy, omeo ny hery, Kely finoana re izahay, Ary ny lalanay ety sy tery, Ry Jeso ô, mitantàna anay ! Tohanonao Ny olonao, Ampandreseo izay manaraka Anao !Sinar Fajar Yang Baka Ne mutlu, Ne mutlu Пробудись от сна друг бедный yswʿ qrb yalvarıyom Allahına تعليق 3 ЬОнюндейим zài zhòng rén qián yào jiān mò bì kǒu Километры Imparerò a nuotare
Song not available - connect to internet to try again?