O, ry Jesosy, omeo ny hery, Mba handreseko ny ota izao ! Osa sy ketraka aho irery, Raha tsy avy izao Hianao. Raiso ny fo. Tano tokoa, Mba handreseko, ry Tompoko ô ! O, ry Jesosy, omeo ny hery, Ka amboary ny fonay izao ; O, mba esory izay mahavery, Mitomoera aminay Hianao ; Ka hazavao Ny fo izao Ampandosiro ny aizina ao ! O, ry Jesosy, omeo ny hery, Kely finoana re izahay, Ary ny lalanay ety sy tery, Ry Jeso ô, mitantàna anay ! Tohanonao Ny olonao, Ampandreseo izay manaraka Anao !Eu Navegarei Príď, Stvoriteľ, príď, Duch Svätý 영광 영광 어린양 예수 ПРЕДИ ВЪВ ВИТЛЕЕМ Domnul ne-a creeat ربنا يسوع هو كل حياتنا Любовь Твоя, о Господь, бесконечна! C'è un nome che pari non ha Kto som ja (Casting Crowns) يارب أنا بجيلك
Song not available - connect to internet to try again?