O, ry Mpanefa ny toky rehetra, Moa ho ela vao tonga ny fetra ? Tena andrasanay ny fihavianao ; // Aza ela, re // He ! izahay fa vahiny mandala, Indro manenjika ny fahavalo ; Koa henoy re ny senton'ny olonao ; // Aza ela, re // He ! ny voavotrao dia miandry, Na izahay na ireo nodimandry ; Tompo, Tsinjovy ny fasan'ny olonao ; // Aza ela, re // Ary ny zavatra eto an-tany Samy miara-misento ihany, Ka manantena ny mba hihavianao ; // Aza ela, re // Mbola ho ela ve Ilay antenaina ? Tsia, fa akaiky izao ny maraina ; Koa andrandrao sy antsoy ny Tompo hoe : // Aza ela, re // «Tsy mbola ho ela, fa faingana Aho, Ary hanafaka ny mitalaho». « Eny, avia, faingàna, ry Tompo ô ! » // Aza ela, re //Všetci, čo skladajú Señor tu nombre amamos Yours Forever Toto, je deň, toto je deň Dios está aquí, tan cierto Мои надежды на Христа Јағышын јағсын Ježišu, Ježišu Pace să fie între zidurile tale Couvre-moi
Song not available - connect to internet to try again?