O, ry Zanahary, Izay nahary ahy, Be ny herinao! Manan-toky aho, Fa tsy maty taho, Manana Anao ; Afa-po ny zanakao, Hianao no Ray Mpiahy, Ka iza no hanahy ! Hianao no Raiko Tena fototr'aiko, Sady heriko. Hianao no aro, Tsy ho reraka aho, Tsy ho kivy fo ; Ao ambany elatrao No ataoko fiereko ; Ao tsy misy sento. Latsaka isan-andro Toy ny ranonando Ny fitianao. Raha alaim-panahy, Ka manafotra ahy Re ny otako, Dia ho tafatsangana Hanavao ny herin'aiko Hianao, ry Raiko. Ary raha lany Toy ny zavon-tany Ny fiainako ; Misy onin'aina Tsy mba mety maina Ao an-danitrao ; Ao no hitoerako, Ao an-tranonao, ry Raiko, Ao no antenaiko.مبدع الكون القدير تعليق - غيرك إنت مين zhǔ zài zhè lǐ qīng shēng de gào sù nǐ Как мне узнать Тебя, Христос ทิ้งอวน องค์พระเจ้าผู้ทรงยิ่งใหญ่ราชาของ Отец, Отец мой .. Заманъ Гелиндже Миний Хаан, Чиний Хаан - Амилалт Ялалт 2021 모든 나라 찬양하리 ملك الملوك وجلالك
Song not available - connect to internet to try again?