Raha mafy ny manjo, Raha be ny hovitray, Raha malahelo fo, Mihainoa, Jeso ô ! Endrikay notafinao, Nentinao ny entanay, Nitomany Hianao, Mihainoa, Jeso ô ! Mafy ny nanjo Anao Nefa tsy mba meloka ; Helokay ny nentinao, Mihainoa, Jeso ô ! Voahombo Hianao, Voatsindron-defona, Nandry tao am-pasana, Mihainoa, Jeso ô ! Raha ory izahay, Ka ny fitarainanay Tonga eo an-tsofinao, Mihainoa, Jeso ô ! Raha tapitra aminay Ny fe-taom-boatendrinao, Aza mba mandao anay, Mihainoa, Jeso ô !Ai tuoi piedi Аджъ Бана Я РАБ Your presence chuān shàng fú yīn xié الله أمين وأب صالح Cicha noc mzmwr 134 - mrnm Прикоснись ко мне Бог Живой Sessiz gecelerde lmạdẖạ nḥn fqrạʾ wạ̹lhnạ gẖny
Song not available - connect to internet to try again?