Raiso aho, Tompo ô ! Fa te-ho mpanomponao ; Raiso koa ny androko, Ka anarano fo izao. Raiso re ny tanako Mba hanao ny asanao ; Raiso koa ny tongotro Ho fanirakirakao. Raiso ny fahaizako, Ento mba hanaja Anao ; Raiso koa ny volako Ho Anao tokoa izao. Raiso re ny vavako Hampiseho ny hafatrao ; Raiso koa ny feoko Ho mpanandratra Anao. Raiso ny fanahiko Diovy ho tempolinao ; Raiso aho, Tompo ô ! Ho Anao mihitsy izao. Ho Anao manokana, Ry Mpamonjy, Tompo soa ! Ho Anao dia Anao tokoa, Ho Anao mandrakizay.دم يسوع يحيط بي Слово Твоє Pe pamant e-aşa de greu Navnet Jesus blekner aldri Все девяносто девять там A new commandment القبر الفارغ Яке хонаашро сохт nǐ zǒu lái wǒ zǒu lái tā zǒu lái ạ̉nạ hạstnạk kl ywm
Song not available - connect to internet to try again?