Re tokoa ny feon'anjely, Irak'Andriamanitra ; He, ny teny mahafaly Avy ao an-danitra. Entiny ny teny tsara, Ho ety an-tany izao ; Voninahitra aman-dera, Tompo, no omena Anao ! (in-3) Voninahitra aman-dera, Tompo no omena Anao ! Teraka any Betlehema Ilay Mpanjaka manan-jo Ka misatro-diadema, Voninahi-tsy ho lo, Misy 'zao ety an-tany Fihavanana tokoa, Hafalian-tsy holany Fitahia-mahasoa. (in-3) Hafalian-tsy ho lany, Fitahia-mahasoa. Be ny lazanao, ry Tompo ! Tsara ny Anaranao, Zovy re no tsy hanompo ? Iza no handà Anao ? Hasina sy arahaba No aterina aminao ; Fanjakana tsy ho rava, Ry Mpanjaka ! no Anao (in-3) Fanjakana tsy ho rava Ry Mpanjaka ! no Anao.bì yǒu yī rì Кудай ушундай айткан Дизледик ялваръйоз هو الرب Жараткан Кудай, мен Сага умтулам Меня остановить нельзя sbt nfsy llkẖṭyẗ 离开主我什么都不能做 Yigit ها عيون الكل إياك تترجى
Song not available - connect to internet to try again?